Ny adidy tsy an’olondratsy. Tongava mifidy

Ho anareo manana zo hifidy amin’ny Alarobia 07 novambra izao dia manentana anareo aho hanefa ny adidinareo amin’ny firenena sy ny tanindrazana. 

 Na iza na iza safidinareo dia raiso an-tanana ny fiainanareo sy ho avin’ny taranakareo amin’ny fanefana ny adidinareo sy amin’ny fandrotsahanareo ny vaton’izay olona heverinareo fa hampandroso ny firenena.

 Izaho manokana dia tsy afaka mandray anjara amin’io fifidianana io, fa kosa manohana 100% ny kandida Ravalomanana.

Izay mahafantatra ahy dia mahalala fa tsy misy tombotsoako manokana izany fanohanana izany satria tsy niaina mivantana ny fitondrany 2002-2009 aho, ary tsy mieritreritra ny hiaina ny mandat 2019-2023 ho avy koa.

 Ny mamparisika ahy aminy dia :

 – Voalohany, ny vokatra azo tsapaitanana tamin’ny vina Madagasikara Amperin’Asa MAP 2002-2008, izay nosomparana nohon’ny fanesorana azy teo amin’ny fitondrana tamin’ny fomba tsy ara-démokratika.

 –  Faharoa,  ny velirano  Manifesto 2018-2023 izay atolony ho fampandrosoana an’i Madagasikara sy ny Malagasy.

Ianareo izay mbola Misalasala mikasika ny safidinareo dia mamporisika anareo aho hifidy an’i Ravalomanana N25. 

Ho anareo izay efa manana izay  safidinareo kosa dia vitao ny adidy na iza na iza safidinareo. Ary manantena antsika rehetra hanaiky izay vokatra eo. 

Raha misy ny hosoka hitanareo dia raiso ny porofo ary ampitao @ fitsarana izany. aoka tsy ho eny andalambe intsony no hanaovana ny fitakiana, fa efa fantatra ny vokadratsiny.

 Farany, Isika dia mijanona ho mpinamana foana na inona na inona ny safiditsika tsirairay. Ny tanjontsika rehetra dia ny ahita an’i Madagasikara mandroso. Ny olona heverina sy antenaina hitarika antsika amin’izany no mety Samihafa.

 

Ampirahalahina.

 Ps: Azo zaraina, azo atao dika-petaka koa

 

Actutana sur Whatsapp

Cliquez ici pour être rapidement notifié des “urgences” dans l’actualité 🙂

S’abonner
Notification pour
guest
12 Commentaires
Le plus ancien
Le plus récent Le plus populaire
Commentaires en ligne
Afficher tous les commentaires
Njaka
Njaka
6 années il y a

Hifidy izahay

Njaka
Njaka
Répondre à  rnaivos
6 années il y a

Efa hainao ilay numéro e!

ramatoa
ramatoa
6 années il y a

misaotra e!
Marina ny anao ny @ hoe  » Raha misy ny hosoka hitanareo dia raiso ny porofo ary ampitao @ fitsarana izany. aoka tsy ho eny andalambe intsony no hanaovana ny fitakiana, fa efa fantatra ny vokadratsiny. « 

elman
Administrateur
Répondre à  ramatoa
6 années il y a

ka indraindray koa ianao malefaka dia araraotiny ilay tsy vanona. Izay no mahatonga ny violences ..

rnaivos
rnaivos
Répondre à  elman
6 années il y a

Raha toa ka tsy tanteraka ireo dia dommage ho an’ny kandida-ko fa dia sendra ny marina mitavozavoza aho izany ka resin’ny lainga tsara lahatra …

rnaivos
rnaivos
Répondre à  elman
6 années il y a

Izaho indray aloha dia tsy higrevy na hitarika ny olona hi-grevy izany intsony raha mbola resaka éléction.
Eny fa na ho an’ny olona tohanako amin’ny heriko manontolo aza.
Efa ho herintaona izay no lazaina fa misy tentative de fraude massive amin’ity election ity, misy electeur 2 millions tsy hay hoe avy aiza.
Tokony efa hatramin’izay no niomana amin’izay, amin’ny fametrahana délégué isaky ny birao fandatsahambato ohatra, fampianarana ny délégué hametraka reserve na fitoriana raha misy halabato bevata. sns sns…

Raha toa ka tsy tanteraka ireo dia dommage ho an’ny kandida-ko fa dia sendra ny marina mitavozavoza aho izany ka resin’ny lainga tsara lahatra

ramatoa
ramatoa
Répondre à  rnaivos
6 années il y a

za koa loha dia ho an’isany e

Rangita
Rangita
Répondre à  elman
6 années il y a

Izao no fotoana hanentànana ny olona handeha hidfidy rahampitso ry Monsieur l’admin.
Betsaka ny olona miditra ato amin’ity blog ity na dia tsy maneho hevitra aza,
ary manan-kavana, nàmana, mpiara-miasa afaka mifidy ihany koa izy ireo.

Affiche kisarisary genre : « votez » apetraka en permanence etsy ambony etsy, eo akaikin’ilay hoe « le plaisir de partager » ohatra.

Soson-kevitra mety ahitàna soa e…

zo.zefa
zo.zefa
6 années il y a

Misaotra fa hifidy tokoa! Dia mirary soa.

Fil info

Voir d'autres articles

Vos réflexions

  • RMC dans Viols en RDC : « on voyait de la fumée du côté des mamans »: “voilà, zistéman, hoy rajao malok’ila izay08/02/2025 à 13:52
  • Coco dans L’impunité de ceux qui ont péché: “Vivre pépère sans avoir à se demander à tout moment si demain ne serait pas ce maudit 100ème jour.Comme j’ai…08/02/2025 à 06:18
  • patriot dans « Le téléphérique va réduire le trafic de 2000 véhicules par jour »: “ah, parce que tout le monde habite et roule sur son axe routier?07/02/2025 à 20:02
  • patriot dans 7 février 2009: “le coupable revient toujours sur la scène de crime. ces fanatiques d’orange n’ont aucune dignité, le DJ il s’est enfui…07/02/2025 à 20:01
  • Raglady dans Samy manana n’y TGV any marina: “samy manana TGV https://www.youtube.com/watch?v=04_sw7owW5U07/02/2025 à 18:46
  • Raglady dans 7 février 2009: “Ka mety poritra ry zalahy izay ka ny ao mantsy mihidy lakile ny WC. Dia ny chef no mitazona io…07/02/2025 à 18:22
  • elman dans Viols en RDC : « on voyait de la fumée du côté des mamans »: “La forêt vierge tropicale, dense et humide ho izy Francis Turbo Zay moa07/02/2025 à 17:13
  • RMC dans Viols en RDC : « on voyait de la fumée du côté des mamans »: “nisy nandoro teo am-panolanana izany ny ala atsinanana ka inona indray no hivoaka setroka eo re a ? je sors…07/02/2025 à 17:10
  • elman dans 7 février 2009: “Ça me rappelle un gardien que j’avais éjecté : ce crétin avait « repeint » bien comme il faut son logement avant…07/02/2025 à 16:35
  • babakaty dans 7 février 2009: “Tantara tena marina io tantarain’i Rafangy io ka,nisy fianakaviako akaiky be niasa tao amin’io ministeran’ny vola Antaninarenina io nilaza izany…07/02/2025 à 16:08
  • Rakoto dans 7 février 2009: “Izaho indray isaky ny mahita an-dry zareo miverina eny rehefa 7 février dia mahatsiaro ny tenim-bazaha hoe ‘le meurtrier revient…07/02/2025 à 15:59
  • elman dans 7 février 2009: “dia satria moa nisy ny nifoka ilay zavatra dia nangereny teo ambony birao, J’essaie de visualiser la scène07/02/2025 à 15:47
  • Rafangy dans Ambohitrimanjaka : on ne sait plus trop ce qui choque sur cette photo: “miala kely ny tatezana dia notapahandry zalahy tamin’ny tronconneuse ilay glissiere de securite dia noloarany ny fako (aty amin’ny ankavanan’ny…07/02/2025 à 15:45
  • Rafangy dans 7 février 2009: “nalaina daholo ny isan’ny maty teny amin’ny boriboritany rehetra sy ny tao amin’ny hjra mba hampitomboina ny isan’ny maty, ary…07/02/2025 à 15:40
  • Rafangy dans 7 février 2009: “ny tena naparitaka teny amin’ny 13 mey dia ny hoe handroba indray ny lapa sy ny banky foibe dia nanaraka…07/02/2025 à 15:34
  • RMC dans 7 février 2009: “izaho oa isaky ny 7 février, depuis 2009, dia manontany foana hoe : iza no efa nahita ny pm de…07/02/2025 à 14:39

Veuillez autoriser les annonces sur notre site

Il semblerait que vous utilisiez un bloqueur de publicité. La publicité permet de financer notre site.