Inona no mety ho anton’izao rehetra miseho izao?

andohalo Inona no mety ho anton'izao rehetra miseho izao?

Loading

Inona no mety ho anton’izao rehetra miseho izao?

Ny azo lazaina dia ny olona mandroso, isika malagasy ….. (anjarantsika manohy azy)

Misy moa ilay fitenenana hoe “ce n’est pas ma faute” izay ka inona ary no tokony hoatao hoy ianao?

Amiko manokana, izay manoratra dia mila fiovana avy amin’ny fotony mihitsy ito Madagasikarantsika ito raha te hisandratra isika. Tsy mora ny fiovana ary isika malagasy dia tena tsy dia te hiala amin’ny mahazatra izay, nefa raha te hikendry ny fandrosoana dia tsy maintsy miaraka amizay ny fiovana.

Noho izany, manaitra ny saintsika izay mamaky ito lahatsoratro ito aho hoe ahoana ny hevitrareo raha toa ka:

  • Tanindrazana dia ovaina “Taninjanaka” satria ny hoavin’ny zanantsika no tena zava-dehibe fa ny efa vita ny an’ireo razam-be tsika taloha tany
  • Fitondram-panjakana dia ovaina “Fitondram-pirenena” satria tsy mpanjaka intsony ny mitondra fa olom-boafidy
  • Fananam-panjakana dia ovaina “Fananam-bahoaka” satria ny vahoaka no tena tompony

Ary manomboka izao dia tsara hialana tsimoramora ilay fahazarana miteny hoe “tokony” ka “tsy maintsy” no ampiasaina raha te hanatratra tanjona iray.

Farany na dia maro aza no azo ambara dia ny fiovana mba tena heveriko hampiova saina antsika koa dia ny fanovana ny hiram-pirenentsika izay maro no tsy mazoto miredona intsony (noho ny antony maro samihafa). Koa raha izaho no ampisafidianina dia “Zanahary o, tahio ny “Taninjanakay” no tiako satria voafaoka ao avokoa ny tsirairay. Eny, naha ny firafitry ny sainam-pirenentsika aza dia azo halalinina, fa aleo aloha hijanona hatreo sao be loatra ilay fiovana tiana hoatao ka tsy zaka.  🙂

S’abonner
Notification pour
guest
25 Commentaires
Le plus ancien
Le plus récent Le plus populaire
Commentaires en ligne
Afficher tous les commentaires
mpijery
mpijery
5 années il y a

Any amin’ny fampianarana no tsara hampidirana an’ireo fiovana ireo saingy mbola elaela vao ho hita ny fiantraikany. Mazava ho azy fa tsy ampy ny fanovana fitenenana fotsiny fa tsy maintsy miampy zavatra hafa izay efa voavisavisa teto daholo ihany

ramatoa
ramatoa
Répondre à  mpijery
5 années il y a

tafita ireo raha any ampianarana satria tadidiko hoe tamin’ny mbola t1 sy T2 dia nisy ny cahier-ako teny @ fonony hoe RDM (répoblika demokratika malagasy), nisy koa ny hoe tanindrazana tolom-piavotana – fahafahana ary tsy ny kahie ihany fa na ny rindrin’ny fianarana aza. Ankehitriny, tsy dia misy affichage na inona na inona momba an’i Madagasikara any @ reny salle de classe ireny indrindra ny privés hany ka tsy dia hain’ny ankizy ny lanjan’ny atao hoe “fireneny”

Rakoto
Rakoto
5 années il y a

Raha ho ahy aloha dia mety ny Tanindrazana. Satria ireo razantsika no nikolo ity tany ity voalohany. Koa tokony hajain’ireo zanaka ho avy ny maha antsika Manankasina (fa tsy Malagasy) an’ity tany ifandovàna ity. Raha hoe Taninjanaka mantsy dia toa milaza hoe izay tian’ireo zanaka hanaovana azy aoriana.
Tsara dia tsara ilay ‘Zanahary o tahio’, io koa ny ahy no tiako ho hiram-pirenentsika. Saingy ny fifaninanana tany aloha tany no nametraka ny ‘Ry Tanindrazanay malala’ ho voalohany. Ny nahazo fahatelo dia ilay hiran’i Naly Rakotofiringa ‘Nosy tanindrazako’, samy tsara be daholo.

elman
Administrateur
Répondre à  Rakoto
5 années il y a

koa efa hoe la terre est un héritage que l’on emprunte à nos enfants 🙂

Rakoto
Rakoto
Répondre à  elman
5 années il y a

Tena marina aloha zany e 🙂 Fa jereo anie ny anaovantsika zanaka an’i Gasikara e? Reha mifoha angamba ireo razana ireo dia asa fotsiny. Ka iza no tena tompony: ireo razana nikolokolo sy nanabe voho, sa isika zanaka sy ny 3V mivarotra ny tany sy ny hareny @vahiny ?

elman
Administrateur
Répondre à  Rakoto
5 années il y a

otrany tsy nety zany ny éducation nomeny ireo “razambe” ? 🙂

dep
dep
Répondre à  elman
5 années il y a

ny razambe tsy mivarotra tanindrazana izany mihitsy!

elman
Administrateur
Répondre à  dep
5 années il y a

mmh.. Rasanjy c’est toi ? 🙂

elman
Administrateur
5 années il y a

# ary isika malagasy dia tena tsy dia te hiala amin’ny mahazatra izay

Arakin’ny fombany taolo, izay tsy hita izay maharatsy azy.. 🙂

dep
dep
Répondre à  elman
5 années il y a

ny fomba tsara kosa ve dia avela?

Vzmb
Vzmb
5 années il y a

sosokevitra : “tanitaranaka” toy izay “taninjanaka”

Lahatra
Lahatra
5 années il y a

Fihevitro manokana ity :
Tsy dia ny fanovana anarana loatra no hampiova zavatra.
Ny fototr’ izao rehetra miseho izao aloha dia isika samy isika Malagasy ihany.

Nandaitra tsara ary hain’ny mpanjanaka tranainy sy mpanjanaka vaovao no (n)milalao ireo halementsika.

Ny olana sy halemena dia ireto : ory havamanana, tsy mahazaka havana mba afaka, ny havana tafa kely manindry ny sasany, tsy manana vision grande sy lavitra, mianatra mba ahazo diplaoma dia mhametraka CV , izany hoe fianarana ho lasa mpiasa fa tsy mpampiasa.

Ny vahaolana :Miray hina ny Malagasy rehetra, tsy mifanavakavaka, mahazaka fahasamihafana izany hoe tsy voatery ho ny tena irery no mahay sy ambony fa samy nomen’ Andriamanitra fanomezampahasoavana daholo ny tsirairay, izay tsy mahay sobika mahay fatambary,tsy manambony tena fa manetry tena, tsy manambany ny hafa ihany koa.
Rehefa misy tetikasa iombonana dia iarahana manapaka mba ho tafita ao @ tsirairay ny anjara andraikitra tandrify azy. Tsy hisian’ny mpanohariana na fanonganam-panjakana.
Tsy be rehareha hoe izaho na izahay ihany no mahavita an’izato na izaroa.
Ampandraisina andraikitra daholo ny rehetra tsy asiana ankanavaka @ izay fahaizamanao ananany sy sahaza azy.
Atao mitovy tantana tsy mitanila ny fampandrosoana ao anatin’ny fahasamihafana.

elman
Administrateur
Répondre à  Lahatra
5 années il y a

ka lé bleme nge be dia be ilay .. comment dire.. mamala kira, comme dirait Vanf ? Dia atao ahoana ireny olona reny ?

Ohatra : manana association milay be ianao, olona tsara daholo no ao anatiny. Dia misy iray tonga mamala kira, tonga dia rava ny tsena, sa ?

Dia ataovy à l’échelle du pays amzay : 23 millions de gens à peu près.

ramatoa
ramatoa
Répondre à  mangableu
5 années il y a

marina izany

Vzmb
Répondre à  Lahatra
5 années il y a

efa kôpy i Lahatra, na novaina ho scorpion sy barea aza ny clubM dia tsy tany ny olana

ramatoa
ramatoa
Répondre à  Vzmb
5 années il y a

hihihi, toa marina, nefa koa misy azo raisina ihany ny tian’ny mangableu ho lazaina satria misy tokoa ny fiantsoana na anaran-javatra mandia : izany hoe mandaitra ho azy na koa mahatonga ilay toe-javatra hiova

kof
kof
5 années il y a

Tsara ilay hevitra fa ny olana dia ny hanovana ny boky rehetra, ny lalàna sns… Izany inie no nandreraka t@ malgachisation e! Tsy nisy moyen nanaovana azy. Ny boky rehetra @teny frantsay daholo. Ny mpampianatra nianatra @ teny frantsay. sns… Dia théorie be teo fotsiny.

Beeline
Beeline
5 années il y a

Bien vu! Le concept de générations futures (et le développement durable qui va avec) n’est pas encore dans notre beau pays où l’argent circule en vase clos entre les famangiana (atero ka alao), et tout le “paraphernalia” qui va avec les razana, sans vouloir les offenser…

DG Scar
DG Scar
5 années il y a

Ny tena tsy ampy koa eto amintsika dia ny kolon-tsaina fitakiana ny zava-bita. Anarany hoe “démocratique” sy misy “séparation de pouvoir”: législatif et exécutif saingy korontanina tanteraka, atao paiso an-kady sy tantely afa-drakotra daholo ny zavatra rehetra.
Amiko manokana dia mila mitaky zava-bita sy asa mivaingana ary azo tsapain-tanana isika rehetra olon-tsotra misasatra andro aman’alina ary mandoa hetra @fanjakana isam-bolana. Natao ho adinoin’ny rehetra mihitsy mantsy ilay hoe ny Mpiasam-panjakana rehetra na tompon’andraikitra io na mpiasa tsotra dia mpiasam-bahoaka aloha ary mila mampiseho fa tena manao izany tokoa fa tsy hoe lasa fieboebona sy fisehoana milay ilay izy. Isika mandoa hetra no tena mamelona azy ireo.

elman
Administrateur
Répondre à  DG Scar
5 années il y a

Ka misy angeha ilay zava-bita e : bornes fontaine, rénovation de toits d’epp, inauguration de la première pierre ..

DG Scar
DG Scar
Répondre à  elman
5 années il y a

Tsy diso mihitsy 🙂
Fa mba zavatra lehibe kokoa sy maventy tsara e! Raha mbola tsy fandriampahalemana sy lalana ratsy, tapaka na tsy misy mihitsy, jiro sy rano tapaka lava, sns, famezivezena olona any anaty birao, kolikoly de merde, toa tsy ilaina intsony izany minisitra sy be galona ary prezidà izany. Borne fontaine sns ireo indray, association tsotra kely sy ONG kely mahavita. Atao ambany be ilay resaka hanabadoana ny gasy.

elman
Administrateur
Répondre à  DG Scar
5 années il y a

euh.. mon commentaire était ironique bien entendu 🙂

Fil info

Voir d'autres articles

Tribune libre
kof

Leek Wars

Vous êtes développeur et souhaitez vous amuser en exploitant vos talents de développeur? Vous souhaitez initiez vos enfants à la programmation de façon ludique? Vous n’y connaissez rien en programmation et voulez vous initiez vous-même en vous amusant? Leek Wars est fait pour vous. Attention possible risque d’addiction à ne

élection vita

VOKA-PIFIDIANANA NASIONALY VONJIMAIKA OOH45 QG KMMR VOKATRA NASIONALY, AVY @ FARITRA 22.. et pendant ce temps les télé délire et la CENI 0.26 % de traiter aaaa

Tribune libre
rnaivos

Madagascar 2008 vs France 2018 Même combat ?

La situation politique en France en cette fin d’année 2018 me fait penser à ce qui s’est passé à Madagascar en 2008, toute proportion gardée. Avant toutes choses je tiens à préciser que, sur leurs actions respectives,  les 2 me conviennent et sont plutôt conforme à mes convictions politiques. Par

Tribune libre
Debile Profond 2.1.5 ™

La pierre philosophale de DP

Pendant des siècles a été cherchée en vain la fameuse pierre philosophale qui permettrait de changer le plomb en or. Elle fut enfin découverte au 20 ème siècle non pas par un sorcier,  un alchimiste, un religieux,  un scientifique, un escroc mais bien par un simple plombier ! Aujourd’hui au

Tribune libre
mangableu

Let’s go 2021! (Part 2)

On avance, on avance quoi qu’il arrive. Après 2 mois, quelques jours, beaucoup d’ariary et de cheveux blancs, nous en sommes à ce stade du projet. Vu globalement, nous pouvons affirmer que les ouvriers ont assuré mais lorsque nous nous penchons un peu dans les détails, là il y a

Tribune libre
elman

Tribune libre : un simple renouvellement de passeport

Le parcours de combattant pour un simple renouvellement de passeport Durant une semaine, courant juillet 2023, j’ai accompagné une étudiante malgache de passage au pays qui devait renouveler son passeport et ce témoignage se rajoute au ras-le-bol général relatif à l’administration. Jour 1 – Lundi Préparation des documents connus :

Tribune libre
no name

Doublez votre forfait internet TELMA ! : encore une pub mensongère ?

Nous savons tous que les opérateurs ont leurs stratégies de « vol/arnaque autorisé »  pour attirer les pauvres  consommateurs babakoto notamment le crédit qui disparaît comme par magie et qui fait râler de nombreux utilisateurs. En voici un autre made in Telma. En effet, TELMA vient de recycler certaines de ces offres internet en

Tribune libre
mangableu

Namaste

Je crois que chacun de nous a connu le film: ‘Elman chez les gaulois’ donc aujourd’hui je vais vous présenter: ‘mangableu au pays des maharajahs’. Si grâce à Elman nous avons pu découvrir la civilisation à la française, pour ma part je vais vous partager ce qu’est de vivre en

Shocking : l’homme est arrivé à Madagascar il y a au moins 10,500 ans

C’est du moins moins ce qu’affirme une équipe de scientifiques dirigée par la Zoological Society of London. Ils ont découvert à Madagascar sur des os fossiles d’un oiseau géant (Aepyornis) des marques et des coupures qui ne pouvaient être provoquées que par une chasse et une découpe d’origine humaine. Sauf

Commentaires

25
0
Nous aimerions avoir votre avis, veuillez laisser un commentaire.x