
Ny azo lazaina dia ny olona mandroso, isika malagasy ….. (anjarantsika manohy azy)
Misy moa ilay fitenenana hoe « ce n’est pas ma faute » izay ka inona ary no tokony hoatao hoy ianao?
Amiko manokana, izay manoratra dia mila fiovana avy amin’ny fotony mihitsy ito Madagasikarantsika ito raha te hisandratra isika. Tsy mora ny fiovana ary isika malagasy dia tena tsy dia te hiala amin’ny mahazatra izay, nefa raha te hikendry ny fandrosoana dia tsy maintsy miaraka amizay ny fiovana.
Noho izany, manaitra ny saintsika izay mamaky ito lahatsoratro ito aho hoe ahoana ny hevitrareo raha toa ka:
- Tanindrazana dia ovaina « Taninjanaka » satria ny hoavin’ny zanantsika no tena zava-dehibe fa ny efa vita ny an’ireo razam-be tsika taloha tany
- Fitondram-panjakana dia ovaina « Fitondram-pirenena » satria tsy mpanjaka intsony ny mitondra fa olom-boafidy
- Fananam-panjakana dia ovaina « Fananam-bahoaka » satria ny vahoaka no tena tompony
Ary manomboka izao dia tsara hialana tsimoramora ilay fahazarana miteny hoe « tokony » ka « tsy maintsy » no ampiasaina raha te hanatratra tanjona iray.
Farany na dia maro aza no azo ambara dia ny fiovana mba tena heveriko hampiova saina antsika koa dia ny fanovana ny hiram-pirenentsika izay maro no tsy mazoto miredona intsony (noho ny antony maro samihafa). Koa raha izaho no ampisafidianina dia « Zanahary o, tahio ny « Taninjanakay » no tiako satria voafaoka ao avokoa ny tsirairay. Eny, naha ny firafitry ny sainam-pirenentsika aza dia azo halalinina, fa aleo aloha hijanona hatreo sao be loatra ilay fiovana tiana hoatao ka tsy zaka. 🙂
Any amin’ny fampianarana no tsara hampidirana an’ireo fiovana ireo saingy mbola elaela vao ho hita ny fiantraikany. Mazava ho azy fa tsy ampy ny fanovana fitenenana fotsiny fa tsy maintsy miampy zavatra hafa izay efa voavisavisa teto daholo ihany
… hoy ilay fitenenena izay « Mieux vaut tard que jamais ». Io moa izany no mba anjara birikiko hanampiana izay rehetra efa voavisavisa teto izay e! 🙂
tafita ireo raha any ampianarana satria tadidiko hoe tamin’ny mbola t1 sy T2 dia nisy ny cahier-ako teny @ fonony hoe RDM (répoblika demokratika malagasy), nisy koa ny hoe tanindrazana tolom-piavotana – fahafahana ary tsy ny kahie ihany fa na ny rindrin’ny fianarana aza. Ankehitriny, tsy dia misy affichage na inona na inona momba an’i Madagasikara any @ reny salle de classe ireny indrindra ny privés hany ka tsy dia hain’ny ankizy ny lanjan’ny atao hoe « fireneny »
Raha ho ahy aloha dia mety ny Tanindrazana. Satria ireo razantsika no nikolo ity tany ity voalohany. Koa tokony hajain’ireo zanaka ho avy ny maha antsika Manankasina (fa tsy Malagasy) an’ity tany ifandovàna ity. Raha hoe Taninjanaka mantsy dia toa milaza hoe izay tian’ireo zanaka hanaovana azy aoriana.
Tsara dia tsara ilay ‘Zanahary o tahio’, io koa ny ahy no tiako ho hiram-pirenentsika. Saingy ny fifaninanana tany aloha tany no nametraka ny ‘Ry Tanindrazanay malala’ ho voalohany. Ny nahazo fahatelo dia ilay hiran’i Naly Rakotofiringa ‘Nosy tanindrazako’, samy tsara be daholo.
koa efa hoe la terre est un héritage que l’on emprunte à nos enfants 🙂
Tena marina aloha zany e 🙂 Fa jereo anie ny anaovantsika zanaka an’i Gasikara e? Reha mifoha angamba ireo razana ireo dia asa fotsiny. Ka iza no tena tompony: ireo razana nikolokolo sy nanabe voho, sa isika zanaka sy ny 3V mivarotra ny tany sy ny hareny @vahiny ?
otrany tsy nety zany ny éducation nomeny ireo « razambe » ? 🙂
… na tokony atao mise à jour/ remise à niveau koa ohatra. 😉
ny razambe tsy mivarotra tanindrazana izany mihitsy!
mmh.. Rasanjy c’est toi ? 🙂
# ary isika malagasy dia tena tsy dia te hiala amin’ny mahazatra izay
Arakin’ny fombany taolo, izay tsy hita izay maharatsy azy.. 🙂
ny fomba tsara kosa ve dia avela?
sosokevitra : « tanitaranaka » toy izay « taninjanaka »
Fihevitro manokana ity :
Tsy dia ny fanovana anarana loatra no hampiova zavatra.
Ny fototr’ izao rehetra miseho izao aloha dia isika samy isika Malagasy ihany.
Nandaitra tsara ary hain’ny mpanjanaka tranainy sy mpanjanaka vaovao no (n)milalao ireo halementsika.
Ny olana sy halemena dia ireto : ory havamanana, tsy mahazaka havana mba afaka, ny havana tafa kely manindry ny sasany, tsy manana vision grande sy lavitra, mianatra mba ahazo diplaoma dia mhametraka CV , izany hoe fianarana ho lasa mpiasa fa tsy mpampiasa.
Ny vahaolana :Miray hina ny Malagasy rehetra, tsy mifanavakavaka, mahazaka fahasamihafana izany hoe tsy voatery ho ny tena irery no mahay sy ambony fa samy nomen’ Andriamanitra fanomezampahasoavana daholo ny tsirairay, izay tsy mahay sobika mahay fatambary,tsy manambony tena fa manetry tena, tsy manambany ny hafa ihany koa.
Rehefa misy tetikasa iombonana dia iarahana manapaka mba ho tafita ao @ tsirairay ny anjara andraikitra tandrify azy. Tsy hisian’ny mpanohariana na fanonganam-panjakana.
Tsy be rehareha hoe izaho na izahay ihany no mahavita an’izato na izaroa.
Ampandraisina andraikitra daholo ny rehetra tsy asiana ankanavaka @ izay fahaizamanao ananany sy sahaza azy.
Atao mitovy tantana tsy mitanila ny fampandrosoana ao anatin’ny fahasamihafana.
ka lé bleme nge be dia be ilay .. comment dire.. mamala kira, comme dirait Vanf ? Dia atao ahoana ireny olona reny ?
Ohatra : manana association milay be ianao, olona tsara daholo no ao anatiny. Dia misy iray tonga mamala kira, tonga dia rava ny tsena, sa ?
Dia ataovy à l’échelle du pays amzay : 23 millions de gens à peu près.
… dia ampiasaina ilay tsy maintsy
marina izany
efa kôpy i Lahatra, na novaina ho scorpion sy barea aza ny clubM dia tsy tany ny olana
hihihi, toa marina, nefa koa misy azo raisina ihany ny tian’ny mangableu ho lazaina satria misy tokoa ny fiantsoana na anaran-javatra mandia : izany hoe mandaitra ho azy na koa mahatonga ilay toe-javatra hiova
Tsara ilay hevitra fa ny olana dia ny hanovana ny boky rehetra, ny lalàna sns… Izany inie no nandreraka t@ malgachisation e! Tsy nisy moyen nanaovana azy. Ny boky rehetra @teny frantsay daholo. Ny mpampianatra nianatra @ teny frantsay. sns… Dia théorie be teo fotsiny.
Bien vu! Le concept de générations futures (et le développement durable qui va avec) n’est pas encore dans notre beau pays où l’argent circule en vase clos entre les famangiana (atero ka alao), et tout le « paraphernalia » qui va avec les razana, sans vouloir les offenser…
Ny tena tsy ampy koa eto amintsika dia ny kolon-tsaina fitakiana ny zava-bita. Anarany hoe « démocratique » sy misy « séparation de pouvoir »: législatif et exécutif saingy korontanina tanteraka, atao paiso an-kady sy tantely afa-drakotra daholo ny zavatra rehetra.
Amiko manokana dia mila mitaky zava-bita sy asa mivaingana ary azo tsapain-tanana isika rehetra olon-tsotra misasatra andro aman’alina ary mandoa hetra @fanjakana isam-bolana. Natao ho adinoin’ny rehetra mihitsy mantsy ilay hoe ny Mpiasam-panjakana rehetra na tompon’andraikitra io na mpiasa tsotra dia mpiasam-bahoaka aloha ary mila mampiseho fa tena manao izany tokoa fa tsy hoe lasa fieboebona sy fisehoana milay ilay izy. Isika mandoa hetra no tena mamelona azy ireo.
Ka misy angeha ilay zava-bita e : bornes fontaine, rénovation de toits d’epp, inauguration de la première pierre ..
Tsy diso mihitsy 🙂
Fa mba zavatra lehibe kokoa sy maventy tsara e! Raha mbola tsy fandriampahalemana sy lalana ratsy, tapaka na tsy misy mihitsy, jiro sy rano tapaka lava, sns, famezivezena olona any anaty birao, kolikoly de merde, toa tsy ilaina intsony izany minisitra sy be galona ary prezidà izany. Borne fontaine sns ireo indray, association tsotra kely sy ONG kely mahavita. Atao ambany be ilay resaka hanabadoana ny gasy.
euh.. mon commentaire était ironique bien entendu 🙂