Masina ny firenena, – Karako

Loading

Je transcris ici un poème écris par un ami proche et auquel j’adhère car ça rejoins ma vision des choses.

 

Ilay nanongam-panjakana
Sy tsy miraharaha lalàna
No injao aindraindra
Sy toa masina indrindra !

Hadino ve ny fanimbana ?
Hadino ny fanazimbana ?
Tia manao loham-boto
Sy mampihinana maloto…

Ilay tokony ho any am-ponja
No injao fa hoe hitondra..
Mitrosona ny firenena
Mbola ho tohizana hosena ?

Tsy nisy akory zava-bita
Saribakolin’ny any ampita ;
Mpitsetsitra ny firenena
Akama ihany no mi-hena.

Nikevoka ny mba hanao
Izay vita teo aloha ravao.
Dia hatao manara-penitra :
Lavenona natao simenitra…

Io anie mahay miala
Miafina tsy tratram-bala ;
Vao manomboka mafana
Avelany eo ianao ry nama !

Ilehio anie fatsora
Ka hainy ny miala mora :
Handositra an’i Gasikara ?
Dia any am-bodin’ny fiara…

Very ny zanaka amam-para
Raha ilehio no lazaina “tsara”.
Izy tsy ampy fahendrena :
Mpivarotra ny firenena.

Aza sodoky ny hatanorana
Sao raiketa no hifafana…
Aza jamben’izato bika
Fa ny salakany firinga…

Ry tanora ô, mifohaza,
Tanora anie ianao tsy zaza !
Miandry anao ny firenena,
An-tananao ny fandresena !

Masina ny tanindrazana
K’aza mety ho tambazana.
Maty hasina ilay Samboady
Aza averina aminy azafady !

Karako
2018-10-15

 

http://vetso.serasera.org/tononkalo/karako/masina-ny-firenena

S’abonner
Notification pour
guest
3 Commentaires
Le plus ancien
Le plus récent Le plus populaire
Commentaires en ligne
Afficher tous les commentaires
mpijery
mpijery
5 années il y a

Cette partie est comment dire… édifiant:

Aza sodoky ny hatanorana
Sao raiketa no hifafana…

ramatoa
ramatoa
5 années il y a

hmm, espérons que les jeunes rendent compte à tous ça

Fil info

Voir d'autres articles

Commentaires

3
0
Nous aimerions avoir votre avis, veuillez laisser un commentaire.x