Législatives : déclarations de Marc Ravalomanana

Loading

Dépêche Madagascar > Élections

FANAMBARANA MOMBA NY FIFIDIANANA

Araka ny andininy faha-39 ao @ Lalampanorenana dia ny Fanjakana no miantoka ny tsy fiandanian’ny Fitondrandraharaham-panjakana ara-politika.

Ny andininy faha-49 ao @ Lalampanorenana dia milaza fa ny andraikitrin’ny Filoham-pirenena dia tsy azo ampiarahina @ asan’ny vondron’antoko politika.

Araka ny andininy faha-61 andalana voalohany ao amin’ny Lalàna fehizoro laharana faha-2018-008 mifehy ny Fifidianana dia voarara ny fanaovana fitokanana zavabita mandritra ny fotoan’ny fampielezan-kevitra.

Ny andalana faharoa amin’io andinin-dalàna voalaza eo ambony io dia milaza fa tsy azon’ny Mpitondra Fanjakana atao ny manao fanambarana manokana izay mety hanome vahana sy tombony ho an’ny Kandida.

Araka ny andininy faha-62 ao amin’ny Lalàna mifehy ny Fifidianana voalaza eo ambony dia tsy mahazo manao fampielezan-kevitra manohana Kandida ny tompon’andraikimpanjakana ambony.

Ny andininy faha-63 ao amin’io Lalàna mifehy ny Fifidianana io dia milaza fa voarara ny fampiasana ny fananam-panjakana hanaovana fampielezan-kevitra hanohanana Kandida amin’ny Fifidianana.

Raha ny fihetsika aseho sy ireo teny sy asa ataon’ny Mpitondra ankehitriny mandritra izao Fampielezankevitra izao anefa dia fanitsakitsahana tanteraka sy fandikana miverimberina ireo voalazan’ny Lalampanorenana sy ny lalàna mifehy ny Fifidianana voatsiahy teo ambony.

Niarahantsika rehetra nahita sy naheno tato anatin’ny andro maromaro izao fa mitety Distrika maro ny Mpitondra ary mitaona ny Mpifidy tsy hifidy ireo Kandida avy amin’ny Mpanohitra ary mitokana zavabita sy manao fanambarana manokana manome vahana sy tombony ho an’ny Kandida izay natolony.

Ny fahefam-panjakana sy ny fananam-panjakana eo am-pelatanany no entin’ny Mpitondra anatanterahana ireo fampielezan-kevitra ho an’ny Kandida natolony ireo

Koa manao izao fanambarana izao izahay ho filazana amin’ny Mpiray tanindrazana rehetra sy ny Fiombonambe iraisampirenena fa Fihantsiana sy fanaovana tsinontsinona tanteraka ny vahoaka malagasy izao fandikana ny Lalampanorenana sy ny Lalàmpifidianana ataon’ny Mpitondra Fanjakana ankehitriny ao anatin’ny zotram-pifidianana izay

Fanahiniana ataon’ny Mpitondra ankehitriny hitarika korontana tsy hahatanteraka ny Fifidianana ka hanapotehana ny Demokrasia eto Madagasikara izao Fandikan-dalàna mibaribary ataony izao.

Manameloka tanteraka izao fandikan-dalàna ataon’ny Mpitondra Fanjakana ato anatin’ny zotram-pifidianana izao izahay ary manamafy fa ny Fifidianana madio sy manara-dalàna ihany no antoka hahafahana manatanteraka Fifidianana milamina sy manaja ny safidim-bahoaka ary hahazoantsika solombavambahoaka mendrika.

Noho izany, mba hizoran’ny Fifidianana ao anatin’ny filaminana sy haneken’ny rehetra ny vokam-pifidianana, dia mitaky izahay :

1- Ny hampitsaharan’ny Mpitondra ireo tsy fanarahan-dalàna ataony

2- Ny handraisan’ny CENI sy ny HCC ny andraikiny ka hampiasany ireo fahefana eo am-pelatanany hampiharana ny sazy voalazan’ny lalàna amin’ireo izay nanao ny fandikan-dalàna sy ireo Kandida izay nahazo tombony tamin’ireo tsy fanarahan-dalàna ireo

Miantso ny fiombonambe iraisam-pirenena tsy hitazam-potsiny izao fanitsakitsahana ny Lalàna mifehy ny Fifidianana eto Madagasikara sy ny fanosihosena ireo soa toavina demokratika iraisam-pirenena izay ataon’ny Mpitondra ankehitriny izao.

Manamafy izahay fa tsy hanaiky lembenana manoloana ny tsy fanarahan-dalàna mitranga toy izao ary efa mitaona sahady ny vahoaka Malagasy hijoro sy ho vonona hiaro ny demokrasia sy ny Fanjakana tan-dalàna eto Madagasikara.

Actutana sur Whatsapp

Cliquez ici pour être rapidement notifié des “urgences” dans l’actualité 🙂

0 0 votes
Évaluation de l'article
S’abonner
Notification pour
guest
3 Commentaires
Le plus ancien
Le plus récent Le plus populaire
Commentaires en ligne
Afficher tous les commentaires
Numerobis
Numerobis
1 année il y a

Any amin’ny HCC indray ny baolina na dia efa fantatra aza ny valiny hoe mitombina loatra fa tsy azo raisina. 😛

Rafangy
Rafangy
1 année il y a

hoy ny fitsarana avo momba ny fiarovana ny lokodampakao eo amin’ny toerany: zo ny filohampirenena izany rehetra izany fa ny anay dia ny mitsara ny vokapifidianana ihany, dia manampy koa ingahy dama(tsy ilay mpihira malaza fa ilay malaza ratsy amin’ny halabato) hoe misy ny ratsamangaika eraky ny distrika sy ny kaomina ka rehefa ireny no tsy manao tatitra aty aminay dia tsy misy ninoninona azonay atao

Rahandy
Rahandy
1 année il y a

Couin couin daffy duck

Fil info

Revue de presse

Diplomatie
Crise à Madagascar

Cours de change

Cours du 30/12/2025

  •  5303.68 ar
  •  4575.39 ar

Vos réflexions

  • elman dans Après 60 jours …: “vu toutes les “statures” qui se sont succédées depuis 65 ans, il serait peut-être temps d’essayer d’autres …. “postures” ?…03/01/2026 à 21:52
  • Raza dans Après 60 jours …: “Avec cette somme, qui représente quand même 400 fois le salaire minimum, gageons que Florent n’aura plus besoin de chasser…03/01/2026 à 15:15
  • Za Ihany dans Voici la congestion: “Tacoma bridge dans l’état du Washington, près de Seattle03/01/2026 à 14:31
  • Za Ihany dans Voici la congestion: “Chuuuut. On est en train de distribuer les primes et puis “mamono afo” quand la plèbe s’en offusque. Fomba amam-panao…03/01/2026 à 14:31
  • Za Ihany dans Après 60 jours …: “Je suis désolé de dire qu’on ne gouverne pas un pays à coup de “live” sur facebook. elle n’entre pas…03/01/2026 à 13:08
  • elman dans Voici la congestion: “Bah tout est dans le titre : complètement congestionné le pont. Les passants, les voitures, les scooters, les bus, les…03/01/2026 à 11:03
  • Numerobis dans Voici la congestion: “Bonne année à toutes et à tous. Qu’est-ce qui s’est passé sur ce pont ? J’ai pas compris. J’ai été déconnecté…03/01/2026 à 09:30
  • Coco dans Voici la congestion: “Antananarivo a été construit pour 300 000 personnes Les gars du projet PRODUIR (Projet de Développement Urbain Intégré et de…03/01/2026 à 08:57
  • elman dans Vous savez le vrai problème à Madagascar ?: “bah ils ont risqué leur vie, ils s’auto-recompensent lol02/01/2026 à 18:18
  • Raza dans Voici la congestion: “Je propose de mettre un téléphérique02/01/2026 à 17:45
  • Za Ihany dans Vous savez le vrai problème à Madagascar ?: “Un des problèmes: octroyer 600M+ d’ariary de prime aux membres de la HCC. Au nom de quoi? de quelle réalisation…02/01/2026 à 17:40
  • zafimbaza dans Ça me fait marrer ces pseudos influenceurs anti Rajoelina: “Bonne et heureuse année à tous . En attendant la reprise des rubriques , je me permets de signaler DJ…02/01/2026 à 17:23
  • Nifin'Akoho dans Voici la congestion: “Bonne année Actutana. Izao no fandehany rehefa lavaka iray ihany no idirana sy ivoahana. Na ny olona na ny biby…02/01/2026 à 15:50
  • Vazaha Be dans Voici la congestion: “Encore heureux que le pont ne soit pas entré en résonnance… Bonne et heureuse année !02/01/2026 à 15:12
  • petakaman dans Vous savez le vrai problème à Madagascar ?: “arrêtez de désespérez hoa! il faut trouver un gars couill.. comme le laitier mal élevé mais encore plus déterminé tout…02/01/2026 à 09:40
  • elman dans Vous savez le vrai problème à Madagascar ?: “je répondrai : hay, andao ary hakany @ fokontany dia jerena zay teneniny zareo ? Là ça devrait fermer sa…01/01/2026 à 21:11