Lac Iarivo : Siteny a tout dit

Loading

Dépêche Madagascar > Politique

LAC IARIVO : Mitohy ny Fanesoana sy famitahana ny Vahoaka Malagasy

Manoloana izao fahantran’ny Vahoaka Malagasy izao dia mbola manana fahasahiana hatrany ny Mpitondra hampiasa ny volam-bahoaka amin’ny rendrarendra sy ny fisehosehoana ary ny fahafinaretan’ny maso.

Hanamboatra ny Lac Iarivo izay toerana fialam-boly sy fitsangatsanganana ao Antananarivo ary handaniana volam-bahoaka amina miliara maro indray ny Fitondrana tarihin’Andriamatoa Andry Rajoelina.

Raha ny rariny sy ny hitsiny ary ny ara-dalàna dia tokony hampiasaina amin’izay tena ilaina sy laharam-pahamehana ho an’ny Vahoaka ny volam-panjakana.

Raha ny zavamisy tena iainan’ny Vahoaka Malagasy ankehitriny dia maro ireo laharam-pahamehana tokony hampiasana ny volam-panjakana : ny Làlana, ny Rano, ny Jiro, ny Fanabeazana, ny Fahasalamana, ny Fandriam-pahalemana, ny Karama, ny vidim-piainana, ny tsy fananan’asa, ny Fotodrafitr’asa ho an’ny Fambolena, sy ny sisa tsy ho voatanisa.

Tsy laharam-pahamehana ho an’ny olona noana sy tsy salama ary sahiran-tsaina amin’ny olana maro samihafa sy ny fahantrana tsy mety afaka amin’ny fiainany andavan’andro ny hitady rendrarendra sy ny fialam-boly ary ny fahafinaretan’ny maso maro samihafa.

Tsy manana Zo hampiasa ny volam-panjakana izay volam-bahoaka amin’izay itiavany azy sy ny mahafinaritra azy ny Mpitondra fa manana adidy kosa izy hijery izay tena ilaina sy mahasoa ny Vahoaka

Ho an’ny Mpitondra mahay sy tena mitsinjo ny Vahoakany dia NY MAHASOA ALOHA VAO NY MAHAFINARITRA no tokony hibaiko ny asa rehetra atao.

Mahamenatra ny maheno an’Andriamatoa Andry Rajoelina milaza fa hitondra fampandrosoana ho an’ny Firenena ny fanamboarana fotodrafitr’asa toy io Lac Iarivo io. Ny fandaniana ny volam-bahoaka amin’ny fanamboarana fotodrafitr’asa tsy mamokatra toy ireny no anisan’ny tsy mampandroso ny Firenena Malagasy ary manaporofo fa tsy mahay ary tsy mieritreritra ny fampandrosoana an’i Madagasikara mihintsy ny Mpitondra ankehitriny.

Manaporofo indray izao fihazakazahan’Andriamatoa Andry Rajoelina hanamboatra toerana fitsangatsanganana sy fanomezana fahafinaretana ho an’ny maso izao fa tsy mahafantatra na tsy te-hahalala sy tsy miraharaha ny fahasahiranan’ny Malagasy ny Mpitondra ankehitriny.

Satria tsy mahita vahaolana intsony hampihenana ny fahantran’ny Vahoaka Malagasy ny Mpitondra ankehitriny dia atao izay fomba rehetra hanomezana fahafinaretana sy hahavariana ny Vahoaka mba hanadinoany mandritra ny fotoana fohy ny fahasahiranana sy ny fahantrana iainany.

Tsy rariny sy famitahana ary fanaovana tsinontsinona ny Vahoaka izao fandaniam-bolam-panjakana amin’ny fotodrafitr’asa tsy laharam-pahamehana sy tsy mamokatra toy izao.

Fihantsiana sy fanesoana ary fanaparam-pahefana izao ataon’ny Mpitondra izao manoloana ny fahantran’ny Vahoaka sy ny Fahasahiranan’ny Firenena.

TSY MENDRIKA, TSY RARINY ARY TSY ARA-DALANA.

Siteny Randrianasoloniaiko

Actutana sur Whatsapp

Cliquez ici pour être rapidement notifié des “urgences” dans l’actualité 🙂

S’abonner
Notification pour
guest
2 Commentaires
Le plus ancien
Le plus récent Le plus populaire
Commentaires en ligne
Afficher tous les commentaires
Nifin'Akoho
Nifin'Akoho
5 heures il y a

Efa mirodana be i neny (Gasikara io) ; aleo hividianana lay atin’akanjo tendance sy lafolafo e.

ericrazafy
ericrazafy
4 heures il y a

Vrai de vrai

Fil info

Vos réflexions

Veuillez autoriser les annonces sur notre site

Il semblerait que vous utilisiez un bloqueur de publicité. La publicité permet de financer notre site.