Courrier des lecteurs : gabégie sur les lignes taxibe 180 et 196

Loading

Dépêche Madagascar > Madagascar

Salama,

Manoratra aty aminareo ako mba hampahafantatra anareo ny zava-misy tsy maha-te honina ny manjifa ny zotra 196 (ambolokandrina mankany analakely soarano) sy 180 (ambolokandrina mankany ivandry).

Ny olana ho anay Mpandeha dia izao, rehefa maraina, ireto zotra etsy ambony ireto dia tsy mandray ny mpandeha misakana azy ireo, eny na tsy feno ary ny taxi-be. Fa satria « hono » ireto mpandeha tsy raisiny ireto dia tsy miala raha tsy lavitra be. Dia aleon’dry zareo mitondra an’ireo olona tapa-dàlana ihany amin’izay mahazo roa avo eny amin’ny saran-dalana.

Eny e, marina, manaiky izahay fa an’ny zareo ny fiara, nefa, angah moa tsy ry zareo no nandeha nanao an’io asa io fa tsy nisy nanery ?
Tsy asa ho an’ny vahoaka ve ireo ?
Dia, raha ireto mpandeha tsy raisin’izy ireo ary no mifindra lalana, na mifindra trano nohon’izany olana izany, tsy ny taxi-be ihany ve no hijinja ny vokany eo rehefa mihena ny isan’ny mpandeha ?

Izaho dia afaka manao vavolombelona amin’izany zavatra mitranga izany.

Eny e, manampy ity taratasy ity dia efa handefa taratasy any amin’ny minisitry ny fitanterana koa ny tenako ary koa any amin’ny UCTU mahakasika an’izao raharaha izao.

Misaotra

ANDRIAMILAMINA Monge

Actutana sur Whatsapp

Cliquez ici pour être rapidement notifié des “urgences” dans l’actualité 🙂

S’abonner
Notification pour
guest
17 Commentaires
Le plus ancien
Le plus récent Le plus populaire
Commentaires en ligne
Afficher tous les commentaires
kgb
kgb
7 années il y a

Et donc, quelle solution va t-on proposer/appliquer face à cette corruption grandissante ?

mangableu
7 années il y a

Tena bon courage ho anao ranamana fa samy manao izay danin’ny kibony ny kaoperativa.
Ny vava ratsy tadidiko navokan’ny kaoperativa iray izay(fa tsy ireo an) »mandehana tongotra rehefa tsy mety aminareo ny mandeha taxi-be »

Miza
Miza
7 années il y a

Rehefa Alakamisy vao maraina io 196 io, de mandeha any Anosy aloha manatitra entana sy mpivarotra, ka raha misy fotoana vonjena, dia miteny irery (ratsy ny akamaroany) sady mitsangatsangana…

rafangy
rafangy
Répondre à  Miza
7 années il y a

@Miza, mba azo lazaina eto ve izany teny irery izany mba hafantaranay hoe kay ratsy izany teny izany!

Miza
Miza
Répondre à  rafangy
7 années il y a

, tonga de bye an!

ramatoa
ramatoa
7 années il y a

Ny 133 koa manao an’io r’efa hariva, mody miantso tapa-dalana r’efa miala eo Ampefiloha.
Ny KOFIMI na KOMAFILA mandeha Andohatanjona mandalo fasan’ny karana koa dia hoe Ankadim-bahoaka ihany io an, na hoe Anosizato ihany io an
Fa maninona raha tsy manao sub urbaine fa tonga dia mandoa patante urbaine r’efa eto @ ville ihany no te hiasa ry KOFIMI na KOMAFILA na ireo zotra manao sub urbaine nefa tsy te hitondra olona ho any @ farany ireo
Fa maninona ireo zotra urbaine ireo raha atao hatreo @ zay heveriny hoe tiany hijanonana no ataony terminus fa tsy mampanantena poakaty ny vahoaka fotsiny
Ianareo no te hiasa sy hahao io asa io fa tsy noterena , noho izany dia tokony tsy ho ferana hoe tratreto ihany fa tsy tonga any amin’ny terminus

arivony
arivony
7 années il y a

La pauvreté des babakoto est surtout dans sa tête.

C’est pas les vazaha et les karana qui pissent et chient partout, ils ne sont pas non plus les corrompus dans chaque établissement publique et c’est pas eux qui dirigent.

Et devinez qui élisent ses dirigeants? Les dirigeants que nous méritons moa?????

Ataoko teny gasy kely aloha sao misy havana receveur sy chauffeur taxi-be mamaky dia mba mampita hafatra

Misy rangahy izay eto @ forum hoe tsy hifidy andravalo hono izy na ho vonoina aza… hi hi, dia gaga ianao raha olona toa an-drajao no manjaka..

Olon’ny « FO » (manararaotra majuscule kely e). Io no olana. Tsy « objectif » mihitsy fa be fialonana, be lolom-po, rancunier ary ory hava-manana.

Taxi be ve? mety hioe sauvage ny receveur, ary tena soavazy, fa ny olana dia ny lasantsy miakatra, ny versement enjehina, dia mba mitady vola ry zalahy. Tsy mahavita tour betsaka anefa satria be embouteillage… Izany rehetra izany fototry ny olana daholo ankoatra ny « éductation »

ramatoa
ramatoa
Répondre à  arivony
7 années il y a

,
Za aloha tsy mandà an’izany problème izany fa le fodiana lavitra no tena henjana ary ireo tsy manam-bola handehanana bus in-2 voire in-3 raha tokony ho in-1 mandeha ihany dia vita no mampalahelo.
Inoako fa tsy anjaran’ny mpandeha no manao études an’izany hoe inona no tokony hatao raha misy problème (fiakaran’ny lasantsy , vidinà pièce…..) fa ny tompon’ny fiara. Fa ny an’ny mpanjifa dia hoe inona no qualilté voakarin’ny fournisseur.
Io na hiakatra 2 000 Ar ary ny frais , ny toe-tsaina mihintsy no lò morina satria tsy maintsy eo foana ilay saina hoe aleo atao tapa-dalana fa @ zao mahazo bebe kokoa toy izay hatao lavalava any nefa dia ny frais ho tokana, nefa dia ry zareo no te hiditra @ kaoperativa io.

kgb
kgb
Répondre à  ramatoa
7 années il y a

@ramatoa, Dia ny ahy no tena olana manokana goavana mihitsy dia ny hoe: aiza, iza no tokony ho tenenina mivantana amin’itony zavatra mitranga itony, marina fa misy ny gazety sy ny tranokala otran’izao izao fa ilay olona ao amin’ny fanjakana sy ilay olona ao @ATT tsy haiko na ilay UCTU, izany hoe ilay olona tompon’andraikitra mihitsy no tiako hiresahana hanotaniako oe, ohatrinona ny ilainao hanaovanao ny asanao tompoko fa izahay efa leo x 10 puissance 10.

Marie Madeleine
Marie Madeleine
Répondre à  arivony
7 années il y a

, vous avez des billes en sociologie?

Je sens toujours une note académique dans vos postes.

mangableu
7 années il y a

Fangaha moa tsy misy pointeur isaky ny arrêt sy terminus ohatrany tamin’ny andron’ny Fibata sy Antafita intsony ny zotra ao Antananarivo ao e?

kgb
kgb
Répondre à  mangableu
7 années il y a

, D gaga enao hoy ny fiteny izay.
Ny maha talanjona anah indraindray dia ny hoe: fa maninona ary ny zotra 194 no mba « azo jerena » ny ataony e ? Tsy misy seza kely au afovoany, misy pointeur, tsy miverina am-pandehanana, madio, mba tsara ny azy ny seza. Eny e, tsy dia oe tongalafatra ny azy, fa raha jerena ange izany 180 izany ka mahagaga ihany oe fa maninona ireto no tafita rehefa manao visite e. Tena karetsaka ohatran’ny any an-trano ve rangah ny eo amin’ny varavarana devant ?

mangableu
Répondre à  kgb
7 années il y a

@kgb, Ny tompon’ny kaoperativa koa no mila tenenina oe izay fiara te hiditra ao dia ireto avy ny critères de qualité, de sécurité,… izay tsy maintsy arahina.
Ohatrany taxi-brousse zotra nationaly ihany io e; adapté selon les besoins des voyageurs.

ramatoa
ramatoa
Répondre à  mangableu
7 années il y a

,
Tena misy tokoa, fa misy tsy hentitra ange ireny fa r’efa hoe eny izy manao poitange dia izay de ampy e. Inoako fa maro @ reo kaoperativa ireo no tsy maharaka akory mijery ireny fiche de pointange ireny. Fa raha harany tsara izany dia ho betsaka no voasazy ary tsy ho nisy ny fitarainana

mangableu
Répondre à  ramatoa
7 années il y a

@ramatoa, Ny tena marina koa dia mila sarotiny isika mpandeha. Takalon’ny vola miala am-posy dia ny fanomezana fahafam-po ny mpandeha na dia tsy ho 100% aza.
Tadidiko tsara tamin’izaho mbola nipetraka tany Tana, ni greve contre ny ligne 116 izahay teny amin’ny cité Mandroseza ary tsisy nitaingina tamin’ny fiara-ndry zareo nandritry ny tapa-bolana noho ny antony maro samihafa, nandeha zotra kofimasi zone suburbaine daholo izahay.Nilefitra ihany ny 116 rehefa tonga saina hoe enjana ilay tsy hidiram-bola mandritry ny tapa-bolana. Taorian’izay dia mba niatsara ny service zareo.
Ny tiako ambara amizany dia oe tsara ny mitaraina fa saingy ho tata-bava eo fotsiny isika mpandeha raha tsy vonona ny hietsika.

Lahatra
Lahatra
7 années il y a

Vahaolana : Avela hitatitra manao renfort ny manana minibus na bus « location de voiture ». Ponctuel io.

zorro
zorro
7 années il y a

Tsotra ihany moa no fahitako an’ity olana ity. Agaha moa tsy manana cahier des charges izy ireny ary tsy maintsy manome izany ho an’ny mpanjifa satria service commercial ihany no omeny? Ny fanontaniana dia hoe aiza ireo tompon’andraikitra amin’ny fanaraha-maso izany zavatra rehetra izany ary inona ny sazy ho an’izay tsy manaja izany cahier des charges izany. Rehefa izay no mazava dia tokony mirindra tsara io.

Fil info

Vos réflexions

  • elman dans Ampitatafika : ça monte !: “après réflexion, il aurait fait un excellent dentiste ve ?16/02/2025 à 20:25
  • The Man dans Ampitatafika : ça monte !: “Et dire qu’un inculte, stressé à jamais, une fois à la présidence de la SADC, a fièrement dit : »Entre nous,…16/02/2025 à 15:03
  • elman dans Ampitatafika : ça monte !: “Excellent ! On pourrait même faire un deuxième réservoir .. à Andravoahangy ?16/02/2025 à 12:27
  • Coco dans Ampitatafika : ça monte !: “où sont les dams et autres réservoirs pour stocker toute cette flotteBah, à Besarety. Je sors.16/02/2025 à 08:14
  • Nifin'Akoho dans Ampitatafika : ça monte !: “Io efa ohatran’izao foana ny fiakaran’ny rano eny. Misy renirano mifanakaiky eo, efa misy vanne ihany koa afaka manidy sy…16/02/2025 à 07:35
  • elman dans Taxe sur la Valeur Ajoutée: “vendrana sy adala zany sisa16/02/2025 à 03:08
  • Razo dans Ampitatafika : ça monte !: “Un bac-3 reste un bac-3. On a beau expliquer de long en large quand le niveau est trop bas, ça…15/02/2025 à 23:20
  • za ihany dans Je veux pas dire mais …: “parce que vous imaginez que le Vatican a vu d’un bon œil la proximité de feu Gaëtan et le laitier…15/02/2025 à 14:41
  • cupidon dans Le grenier de l’océan indien vraiment ?: “Vous appuyez là où ça fait mal… En attendant que « Rajoelina » et sa cour se réveillent de leur rêve éveillé.15/02/2025 à 10:00
  • elman dans Ooh, une de mes profs …: “Il était davantage occupé à faire mi-pipi pataloha ses adversaires ve ?14/02/2025 à 21:20
  • zafimbaza dans Ooh, une de mes profs …: “C’est amusant de vous lire évoquer vos anciens profs . DJ ne peut pas faire autant : il n’a pas…14/02/2025 à 20:54
  • Nifin'Akoho dans Taxe sur la Valeur Ajoutée: “Taona voalohany amin’ny hay hary ve tsy ahay an’izany fa izy ty moa tsy fantatra intsony ny vendrana na ilay…14/02/2025 à 19:41
  • elman dans Le grenier de l’océan indien vraiment ?: “ka tsy hay ze hiaviny.. na hoe efa firy volana teny ambonin’ny sambo14/02/2025 à 18:28
  • Rafangy dans Le grenier de l’océan indien vraiment ?: “tsy voalavo sy ramanavy ihany fa fozaorana koa! mahagaga tokoa fa ireny vary mora ireny anie ka tsy maharitra indray…14/02/2025 à 17:01
  • Rafangy dans Ooh, une de mes profs …: “tiens, j’ai connu un  Dartiguepeyrou qui était à Assistance +, un proche du prof peut etre14/02/2025 à 17:00
  • El hombre dans Ooh, une de mes profs …: “Effectivement14/02/2025 à 15:39

Veuillez autoriser les annonces sur notre site

Il semblerait que vous utilisiez un bloqueur de publicité. La publicité permet de financer notre site.