IREO FADY ETO ANTANANARIVO RAHA SENDRA MIAKATRA ETO IANAO (vahiny) :
-Fady ny milalao finday eny ambonin’ny bus, ao anatin’ny tunnel Ambohidahy, indrindra fa anaty fitohanana.
-Fady ny mitondra firavaka volamena, vola sy solo-saina eny Analakely sy Behoririka.
-Fady no mitondra fiara tsy mihidy varavarana eny 67ha sy Andohotapenaka, fa voaambana sabatra.
-Ho an’ny lehilahy mandeha irery, fady ihany koa ny mitondra fiara tsy mihidy varavarana eny Behoririka sy Analakely fa fomban-dry zareo vehivavy indray no miditra ao ary tsy mety miala raha tsy mahazo vola na finday. Raha tsy manome dia miorakoraka sy miantso vonjy hoe misy manolana izy ireo.
-Ho an’ny vehivavy kosa, fady ny tsy mailo rehefa avy nanao volo sy mba lavalava volo satria misy tonga dia manapaka tsotra izao na an-dalana na anaty fiara fitateram-bahoaka.
-Fady ny mandeha moto eny Vasakôsy sy eny Andavamamba fa misy mampianjera amin’ny menaka sy midaroka ary manendaka.
-Fady ihany koa ny mandalo alina eny amin’ny Boulevard de l’Europe hihazo an’Ankorondrano fa misy mitoraka vato ny fiara. Eny Ambodimita mankeny Ambohimanarina dia maloto indray no itorahiny.
-Fady ny mamaly ireny olona misera finday ireny, indrindra eny amin’ny Petite Vitesse fa matetika rehefa manontany ny volanao izy dia manombana ny vola azo endahina any aminao fa tsy ivarotra akory.
-Fady ihany koa ny manome sakafo ireny mpangataka ireny fa anaovany tantara an-tsehatra ianao hoe marary kibo voapozin’ny sakafo natolotrao.
Inona koa no tsy voatanisa?
(Publication FEM)
Mba hody aloha lesy a ry zalah fa mody alina foana sao ho voaendaka amin’ty tara fodiana ty foana. Sur daholo e!
.
Ny ampitso.
.
Kaiza e! Gaigy lesy fa voaendaka a lety omaly a. Nefa mba nody mazava andro… Soa fa tsy noratrain’ ry zalah.
Tantara tena nisy io. Na mazava na maizina tsy milamina ny tanàna.
Fady ny matory (be) amin’ny alina fa tsy maintsy mihainohaino fa mety hisy hiditra handroba ao an-tranonao indrindra raha vitsy na tsy ao ny raim-pianakaviana