Législatives : déclarations de Marc Ravalomanana

Loading

Dépêche Madagascar > Élections

FANAMBARANA MOMBA NY FIFIDIANANA

Araka ny andininy faha-39 ao @ Lalampanorenana dia ny Fanjakana no miantoka ny tsy fiandanian’ny Fitondrandraharaham-panjakana ara-politika.

Ny andininy faha-49 ao @ Lalampanorenana dia milaza fa ny andraikitrin’ny Filoham-pirenena dia tsy azo ampiarahina @ asan’ny vondron’antoko politika.

Araka ny andininy faha-61 andalana voalohany ao amin’ny Lalàna fehizoro laharana faha-2018-008 mifehy ny Fifidianana dia voarara ny fanaovana fitokanana zavabita mandritra ny fotoan’ny fampielezan-kevitra.

Ny andalana faharoa amin’io andinin-dalàna voalaza eo ambony io dia milaza fa tsy azon’ny Mpitondra Fanjakana atao ny manao fanambarana manokana izay mety hanome vahana sy tombony ho an’ny Kandida.

Araka ny andininy faha-62 ao amin’ny Lalàna mifehy ny Fifidianana voalaza eo ambony dia tsy mahazo manao fampielezan-kevitra manohana Kandida ny tompon’andraikimpanjakana ambony.

Ny andininy faha-63 ao amin’io Lalàna mifehy ny Fifidianana io dia milaza fa voarara ny fampiasana ny fananam-panjakana hanaovana fampielezan-kevitra hanohanana Kandida amin’ny Fifidianana.

Raha ny fihetsika aseho sy ireo teny sy asa ataon’ny Mpitondra ankehitriny mandritra izao Fampielezankevitra izao anefa dia fanitsakitsahana tanteraka sy fandikana miverimberina ireo voalazan’ny Lalampanorenana sy ny lalàna mifehy ny Fifidianana voatsiahy teo ambony.

Niarahantsika rehetra nahita sy naheno tato anatin’ny andro maromaro izao fa mitety Distrika maro ny Mpitondra ary mitaona ny Mpifidy tsy hifidy ireo Kandida avy amin’ny Mpanohitra ary mitokana zavabita sy manao fanambarana manokana manome vahana sy tombony ho an’ny Kandida izay natolony.

Ny fahefam-panjakana sy ny fananam-panjakana eo am-pelatanany no entin’ny Mpitondra anatanterahana ireo fampielezan-kevitra ho an’ny Kandida natolony ireo

Koa manao izao fanambarana izao izahay ho filazana amin’ny Mpiray tanindrazana rehetra sy ny Fiombonambe iraisampirenena fa Fihantsiana sy fanaovana tsinontsinona tanteraka ny vahoaka malagasy izao fandikana ny Lalampanorenana sy ny Lalàmpifidianana ataon’ny Mpitondra Fanjakana ankehitriny ao anatin’ny zotram-pifidianana izay

Fanahiniana ataon’ny Mpitondra ankehitriny hitarika korontana tsy hahatanteraka ny Fifidianana ka hanapotehana ny Demokrasia eto Madagasikara izao Fandikan-dalàna mibaribary ataony izao.

Manameloka tanteraka izao fandikan-dalàna ataon’ny Mpitondra Fanjakana ato anatin’ny zotram-pifidianana izao izahay ary manamafy fa ny Fifidianana madio sy manara-dalàna ihany no antoka hahafahana manatanteraka Fifidianana milamina sy manaja ny safidim-bahoaka ary hahazoantsika solombavambahoaka mendrika.

Noho izany, mba hizoran’ny Fifidianana ao anatin’ny filaminana sy haneken’ny rehetra ny vokam-pifidianana, dia mitaky izahay :

1- Ny hampitsaharan’ny Mpitondra ireo tsy fanarahan-dalàna ataony

2- Ny handraisan’ny CENI sy ny HCC ny andraikiny ka hampiasany ireo fahefana eo am-pelatanany hampiharana ny sazy voalazan’ny lalàna amin’ireo izay nanao ny fandikan-dalàna sy ireo Kandida izay nahazo tombony tamin’ireo tsy fanarahan-dalàna ireo

Miantso ny fiombonambe iraisam-pirenena tsy hitazam-potsiny izao fanitsakitsahana ny Lalàna mifehy ny Fifidianana eto Madagasikara sy ny fanosihosena ireo soa toavina demokratika iraisam-pirenena izay ataon’ny Mpitondra ankehitriny izao.

Manamafy izahay fa tsy hanaiky lembenana manoloana ny tsy fanarahan-dalàna mitranga toy izao ary efa mitaona sahady ny vahoaka Malagasy hijoro sy ho vonona hiaro ny demokrasia sy ny Fanjakana tan-dalàna eto Madagasikara.

Actutana sur Whatsapp

Cliquez ici pour être rapidement notifié des “urgences” dans l’actualité 🙂

0 0 votes
Évaluation de l'article
S’abonner
Notification pour
guest
3 Commentaires
Le plus ancien
Le plus récent Le plus populaire
Numerobis
Numerobis
2 années il y a

Any amin’ny HCC indray ny baolina na dia efa fantatra aza ny valiny hoe mitombina loatra fa tsy azo raisina. 😛

Rafangy
Rafangy
2 années il y a

hoy ny fitsarana avo momba ny fiarovana ny lokodampakao eo amin’ny toerany: zo ny filohampirenena izany rehetra izany fa ny anay dia ny mitsara ny vokapifidianana ihany, dia manampy koa ingahy dama(tsy ilay mpihira malaza fa ilay malaza ratsy amin’ny halabato) hoe misy ny ratsamangaika eraky ny distrika sy ny kaomina ka rehefa ireny no tsy manao tatitra aty aminay dia tsy misy ninoninona azonay atao

Rahandy
Rahandy
2 années il y a

Couin couin daffy duck

Fil info

Revue de presse

Diplomatie
Crise à Madagascar

Cours de change

Cours du 24/03/2026

  •  4740.65 ar
  •  4164.81 ar

Vos réflexions

  • Rafangy dans Refondation : attention danger: “au debut, avec le petit gros, il y avait de l’espoir, beaucoup d’espoirs pour la jirama, et chacun en a…17/07/2026 à 09:48
  • elman dans Refondation : attention danger: “L’intérêt supérieur de la ration de ma gamelle ve ?16/07/2026 à 20:49
  • Hary dans Refondation : attention danger: “Voici la mentalité des politiciens malgaches : L’urgence , c’est de se remplir les poches. Le prioritaire , c’est de…16/07/2026 à 18:27
  • angady dans Et si la Refondation… ne fonctionnait pas ?: “A part le seza et les 3V, non sérieusement, vous les pensez capables de faire l’ébauche d’un quelconque vivre ensemble…15/07/2026 à 20:50
  • Vazaha Be dans Et si la Refondation… ne fonctionnait pas ?: “Je partage globalement l’analyse. Mais bien que loin de Madagascar en ce moment, j’ai l’impression que des projets longtemps oubliés…15/07/2026 à 17:29
  • MasyLau dans Kidnappings et meurtres : quid ?: “Mila mandinika mafy io filazanao io ny mpitondra . Izay very mantsy dia hita -faty misy manimpy eny rehetra ireny…15/07/2026 à 17:03
  • Numerobis dans Kidnappings et meurtres : quid ?: ““Celui qui contrôle la peur des gens devient le maître de leurs âmes” Machiavel dans l’ouvrage “Le Prince” A mediter15/07/2026 à 12:06
  • Doraadm dans Kidnappings et meurtres : quid ?: “Ny zavatra tsikaritro hatr@ izay, efa antaonany maro izay, dia rehefa misy ilay sambo manao asa soa iny no mirongatra…13/07/2026 à 09:24
  • petakaman dans Kidnappings et meurtres : quid ?: “Bah alors sam, avez vous oublié l’histoire en 2011 de “MOPERA” BONIFACE et ses rejetons (la fille était en 4ème…13/07/2026 à 09:02
  • sam dans Kidnappings et meurtres : quid ?: “Trafic d’organes, la légende continue…. Les contraintes logistiques irréalisables Pour qu’une transplantation réussisse, l’extraction et le transport des organes exigent…12/07/2026 à 09:30
  • elman dans Kidnappings et meurtres : quid ?: “et a disparu de la circulation en écrasant quelqu’un avec sa voiture selon les légendes urbaines de l’époque11/07/2026 à 23:15
  • petakaman dans Kidnappings et meurtres : quid ?: ““En plus, le goût du sang on aime bien n’est-ce pas ? Comme ces brebis que l’on envoie à l’abattoir…11/07/2026 à 19:13
  • Afist dans NF C18-510: “Felicitations Elman ! Des conseils qui valent de l’or.08/07/2026 à 12:03
  • elman dans NF C18-510: “Si un “mécanicien” n’est pas capable de savoir pourquoi une voiture ne démarre pas en moins de 15 minutes autant…08/07/2026 à 09:44
  • Rafangy dans NF C18-510: “n’oubliez pas de nous tenir au courant, le plaisir de partager08/07/2026 à 09:39
  • Rafangy dans NF C18-510: “le fil qui alimentait le demarreur pendait et a touché le moteur, ce qui a crée un petit court circuit,…08/07/2026 à 09:38